
Vaovaon'ny Diosezy sy ny Faritra...
Akon’ny famaranana ny faha-75 taonan’ny TAMPIKRI Diosezin’i Fianarantsoa
Fankalazana ny 75e nahatongavan’ny fikambanana TAMPIKRI tao amin’ny Diosezin’i Fianarantsoa. Tonga tany an-toerana ny Aumonier national P. Lalatina SJ sy ny Aumonier diocesain P. Guy Jocelyn. Nisy 87 eo no tonga nandray anjara tamin’ny fankalazana. Toerana Paroasy Md Joseph Ambalavao Fianarantsoa. Nihaonan’ireo TAMPIKRI manerana ny diosezin’i Fianarantsoa. Mahaditra(18), Ambalavao (26), Fianarantsoa (18), Ikongo (1), Ambohimahasoa (25).
Ny Alakamisy 9 Avrily no fahatongavana sy nanaovana ny Sorona Masina fanokafana io famaranana io, izay notarihin’ny P. Aumonier National sy ny Aumoniern’ny Diosezy ary i P. Haja, Père Vicaire ao Ambalavao.
Ny zoma 10 Avrily dia ny famelabelarana nataon’i P. Lalatina mikasika ny atao hoe : «examen particulier» sy ny «examen de conscience» izay tena ilaina betsaka eo amin’ny fiainan’ny tanora. Hahalalana ny fiainan’ny tena manokana indrindra ny fifandraisana amin’Andriamantra mandritra ny andro. Nanaraka izany ny fifampizarana mikasika ny “discernement des esprits” na ny Fandinihana ny hetsi-panahy araka an’i Md Ignace. Nalaina tao amin’ny Fampiasam-panahy na ny “ecxercices Spirituels” araka an’i Md Ignace laharana faha-313-327. Ny tolakandro dia nosokafana tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Mr Alexandre izay efa TAMPIKRI hatramin’ny taona 1987. Nilazalazany ny tantaran’ny Fikambanana sy ny fiainany, ny fomba nifandraisany sy ny fomba nanatanterahany ny fivoriany, ireo zava-tsoa azony tao ary farany dia ny fanentanany ny tanora mba tsy hatoritory ary hazoto handray anjara ao amin’ny fiaraha-monina misy azy. Taorian’izay ny fifampizarana nataon’i Herlys mikasika ny fikambanana amin’ny ankapobeny.
Ny sabotsy maraina dia ny Asa Soa izay nisafidianana ny fanadiovana ny Hopitaly Ambalavao. Nanadio ny tokontany manodidina, ny tanim-boninkazo: nanala ireo ahi-dratsy isan-karazany sy ny voninkazo efa maina, ary nanondraka ireo izay vao novolena. Nisy ny fankasitrahana nataon’ireo solontenan’ny tompon’andraikitry ny Hopitaly tamin’ny alalan’ny fanomezana gouter (ranom-boakazo sy mofo akondro) taorian’ny kabary fifampisaorana. Nandeha nitsidika ny toerana famokarana lamba landy izay tena nahaliana tokoa ny tolakandro. Nanomboka tamin’ny famokarana landy ka hatramin’ny fanenomana avy eo dia ny fitsidihana ny fikarakarana ny papier Antemoro miainga avy amin’ny hodin-kazo atao hoe: AVOHA ka hatramin’ireo vokatra isan-karazany: taratasy, valopy, kahier, carte postal isan-karazany. Nofaranana tamin’ny Sorona Masina lehibe ny alahady izay notarihin’ny P. Aumonier national. Marihina moa fa i P. Guy Jocelyn no nanokatra ny faha 75 taona izay natao tao Fianarantsoa tamin’ny 2014. Tonga nanatrika tao koa i P. Haja, père Vicaire teo an-toerana sy P. Directeuran’ny Fort Carnot, P. Léon. Namaranana tanteraka ny fihaonana ny sakafo izay nifampizarana tao amin’ny efitra lehibe niarahana tamin’ireo lehibem-pikambanana Masina isan-tokony niampy ny P. Curé dia i P. Ramala.
Samy afa-po avokoa ny mpandray anjara rehetra ary samy nananome toky fa hiezaka hanatsara ny fikambanana ho amin’ny taona manaraka.
Ireo fanentanana natao na fitsidihana
Ihosy: Nandalo tany Ihosy ny Aumonier National tamin’ny 30 novambra nijery ny toerana handraisana ny CONA sy Zaikabe. Nihaona tamin’ny Eveka Mgr Fulgence sy ny Aumonier P. Francis, ny Président Christian, ny Masera Zoky am-panahy sy ireo maseran’ny Charité Saint Vincent de Paul miandraikitra ny sekoly handraisana irao mpizaika sy ireo masera miandraikitra ny fahasalamana. Ao ireo fitaovana efa vonona avy hatrany fa ao koa ireo mbola mila fanomanana. Ny lafiny fandria-pahalemana indray dia tsy misy ataorana. Na izany aza anefa dia ilaina ny fitandremana toy ny tsy fandehanana mitokantokana na ny fandehanana amin’ny alina. Raha fintinina ny fandehanana tany dia vonona izy ireo handray antsika ary manentana antsika mba ho tonga maro.
Morondava: Fanentanana natao tao amin’ny Radion’ny Diosezy momba ny fanetsiketsehana sy fanaitairana ny TAMPIKRI amin’iny faritra iny. Fanentanana izay nataon’ny Aumonier Nationaly tamin’ny faha-9 aogositra 2015.
Ambositra: Fanofanana ireo mpiandraikitra tao amin’ny diosezin’Ambositra niarahana tamin’i P. Hanta Corneille sj, Aumonier National naharitra tato amin’ny TAMPIKRI sy ny P. Aumonier National ankehitriny ny 23-24 Octobre 2015. Marihina fa mbola tsy manana birao ny diosezy fa hanana kosa afaka volana vitsivitsy araka ny notapahana tao anatin’io fiofanana io. Narahan’ny fanentanana tao amin’ny Katedraly moa izany.
Nanao dingana ny TAMPIKRI tao amin’ny paroasy Ambohimiadana ny alahady faha-31 mey. Nisy 34 ireo tanora nanao ny dingana voalohany. Sorona masina notarihin’i P. Aumonier Nasionaly ary nohotronin’i P. Hyacinte sj, curé sy P. Edmond sj vicaire. Teo ihany koa ny Zoky am-panahy Sr Charlotte avy ao amin’ny Fikambana-dry Masera Jeanne Delanoue.
Ny tao Sandrandahy ihany koa dia nanao dingana tamin’ny faha-25 desambra: 6 ny dingana faharoa ary 15 ireo nanao ny dingana voalohany. Ny Pretra Angelini vao avy nohamasinina, tamin’ny 4 aout 2015 teo, no nitarika ny Sorona Masina.
Ambatondrazaka
Fanentanana ny hananganana TAMPIKRI Tanambe Ambatondrazaka: 5 Décembre 2015 niarahana tamin’i P. Aumonier National. Ireo TAMPIKRI izay vonona dia hiaraka amin’ny Zoky am-panahy Sr Adeline Fikambanan-dry zareo Masera avy ao Aosta. Efa miisa 96 ireo niditra ho TAMPIKRI. Isaorana betsaka an’i P. Jean Baptiste RAKOTONIAINA, Directeur ny Paroasy Md Piera sy Paoly ao Tanambe sy ireo maseran’ny Aosta amin’ny fifanampiana amin’ny Fampijoroana ny TAMPIKRI any Tanambe Ambatondrazaka. Herinandro taorian’io ihany koa dia nandeha tany Ambatondrazaka ny Filoha Nasionaly, Mr Christian, nanentana ny TAMPIRKI tao Ambatondrazaka. Marihina fa efa misy Zoky iray any dia i Mlle Linah izay Tanora mavitrika eo amin’ny Diosezy. Izy no isan’ny hanetsiketsika ireo TAMPIKRI any an-toerana. Misy 47 eo ireo miditra ho TAMPIKRI. Hanao ny fifampiarahabana tratry ny taona izy ireo ny 16 janoary 2016 ary hanao ny fampahafantarana any amin’ny paroasy
Port-Bergé: ny faritra Mandritsara dia nanao ny dingana voalohany ny faha-30 novambra teo. Niisa 49 ireo niroso tamin’izany ary i P. KALOMARO Jean Christophe, pretra vao nohamasinina tamin’ny 29 aout 2015 tao Mampikomy teo no nitarika ny Sorona Masina. Marihina fa izy moa dia miasa ao Port-Bergé. Marihina fa izy io dia TAMPIKRI ary nohamasinina Diakra ny 4 Janoary 2015 tao Port-Bergé.
Farafangana: Toy ny fanao isan-taona dia nanao CODI ry zareo ka tao Farafangana no nanaovana azy ny faha 26-30 desambra 2015.
Fifampizaram-baovao
Sehatra hilazanao ny zava-misy iainan'ny TAMPIKRI any amin'ny misy anao any. Aza adino ny milaza ny faritra sy ny diosezy, ny isanareo ihany koa. Ilaina ireny hamenoantsika an'ilay fafana lehibe ao amin'ilay takila 123.
Misaotra mizara.
