top of page

CONA: COnseil NAtional na Filan-kevi-pirenena
Araka ny tapaka tamin'ny Filan-kevi-pirenena farany natao tany Arivonimamo tamin'ny taona 2013, dia tapaka fa hatao any Ihosy ny CONA manaraka dia ny taona 2016 izany. Rehefa nandinika ny ENA dia nahita fa tsara raha ampiana ZAIKABE io Filan-kevi-pirenena io ka hatao ny 31 aout – 5 septembre 2016 izao.
Tsara ho tsiahivina mialoha ny voasoratra ao amin’ny Satantsika. Toy izao àry ny Filan-kevi-pirenena araka ny andininy faha-5, laharana faha-4, and faha-6 sy faha-10 ary ny faha-11.
4- FILAN-KEVI-PIRENENA:
Ny solotenan’ny biraom-paritra, miampy ny Ekipa Nasionaly (ENA) sy solo-tena iray isan-tsampana no mamorona ny filankevi-pirenena, izay fitondrana tampony ao amin’ny fikambanana raha ny firenena manontolo no jerena. Izy no mitondra ny tenin’ny fikambanana eo anoloan’ny be sy ny maro ary ny satam-pitondrana eto an-tanindrazana. Izy no mankatoa ny olona ho ao amin’ny Ekipa NAsionaly izay natolotry ny faritra isany.
And.6 - Ny filankevi-pirenena no (mifidy) mankatoa ireo olona natolotry ny faritra tsirairay avy ho ao amin’ny birao Foibe (ENA). Telo na efatra taona no faharetany ao, kanefa azo havaozina ny fifidianana azy ireo mandra-pahavitan’ny fianarany.
And 10: - Mivory indray mandeha isaky ny telo na efatra taona ny filan-kevi-pirenena. Mivory koa izy raha misy antony lehibe manokana mihitsy heverin’ny Ekipa Nasionaly 2/3n’ny Filan-kevi-pirenena tokony hiantsoana azy hivory.
Tsy maintsy tafiditra ao amin’ny Fandaharan-draharaha hodinihina amin’ny Filan-kevi-pirenena ireto zavatra ireto:
-Ny filazalazana ny toetoetry ny fikambanana ataon’ny filoha
-Ny filazalazana ny toe-bolan’ny Fikambanana ataon’ny mpiandraiki-bola
-Ny sori-dàlan’ny Fikambanana manontolo ho an’ny taona ho avy.
-Ny Ekipa Nasionaly dia mivory indray mandeha ihany anelanelan’ny Filan-kevi-pirenena roa
And 11 : -Tsy misy hevitra tapaka ao amin’ny Filan-kevi-pirenena raha tsy tonga ny 2/3n’ny tokony hivory, raha tsy izany dia afindra ho amin’ny fivoriana hafa ny fanapahan-kevitra, amin’izany kosa dia maha-tapakevitra izay tonga. Tsy misy hevitra tapaka raha tsy lany amin’ny isa be matanjaka .
Izay ny mikasika ny Sata. Fa inona avy kosa no hataontsika amin’io fotoana io? Eto am-panombohana dia tsara ny mampahatsiahy antsika fa ho feno valopolo taona amin’ny 2017 ny Fikambanantsika (1937-2017). Fotoan-dehibe tsara ho marihina izany. Raha olombelona dia efa mety hanakaiky ny farany araka ny voalazan’ny Salamo (sal 90,10). Isika anefa manantena fa mbola hiroso hatrany hamakivaky ny fiainana ny Fikambanantsika miaraka amin’ilay Mankahery antsika (Fil 4, 13). Hisaorantsika an’Andriamanitra noho izany fahasoavan-dehibe izany, fa matoa toy izao isika sy ny Fikambanantsika dia noho izy tsy mitsahatra manampy antsika. Amin’io CONA io àry no hanokafantsika io faha valopolo taonan’ny nahatongavan’ny TAMPIKRI teto Madagasikara io izay ho faranantsika amin’ny 2017. Ny lohahevitra hoentitsika mankalaza izany dia izay nalaina tao amin’i Md Lioka 22, 32: «Fa izaho (Jesoa) nangataka ho anao (Piera), mba tsy ho lavo ny finoanao, ary rahefa mibebaka hianao dia hamafiso ny rahalahinao».
bottom of page
