top of page

Hira Faneva

1. TAnora MPIanatra KRIstianina ('zahay)

 Izahay izao miantso anao ô:

 Raha te ho sambatra, haingàna, (andao)

 'Ndao hanilo 'zao tany izao.

 

Andao, andao, andao, ô razandry,

Andao, andao, andao, ô razoky:

Ny tanindrazana efa miandry, (andao)

Mitazatazana fa matoky.

O razandry, ô razoky.

 

2. Ny masoandro iry an-kavoana (jereo)

 No môdely ho anay, ry sakaiza ô:

 Tsy menmenatra ny finoana, ('zahay)

 Kristianina hatraiza hatraiza.

 

3. 'Zay be fandahatra be fandainga, (ny atao)

 Ny atao no tianay ho hita:

 Vavolombelonay dia ny bainga (faio)

 Manambara ny asa vita.

Faneva feon-kira - TAMPIKRI
00:00 / 00:00
Faneva accapela - TAMPIKRI
00:00 / 00:00
Faneva - TAMPIKRI
00:00 / 00:00

Hira Faneva an-tsary

© Ainatina - 2 février 2016

  • w-facebook
  • Twitter Clean
  • w-googleplus
  • w-youtube
bottom of page