top of page

FILAN-KEVI-PIRENENA faha-17 sy ZAIKABE faha-3 hatao any IHOSY

   Araka ny tapaka tamin'ny Filan-kevi-pirenena farany natao tany Arivonimamo tamin'ny taona 2013, dia tapaka fa hatao any Ihosy ny CONA manaraka dia ny taona 2016 izany. Rehefa nandinika ny ENA dia nahita fa tsara raha ampiana ZAIKABE io Filan-kevi-pirenena io ka hatao ny 31 aout – 5 septembre 2016 izao.   Tsara ho tsiahivina mialoha ny voasoratra ao amin’ny Satantsika. Toy izao àry ny Filan-kevi-pirenena araka ny andininy faha-5, laharana faha-4, and faha-6 sy faha-10 ary ny faha-11.

  

​

   Inona avy kosa no hataontsika amin’io fotoana io? Eto am-panombohana dia tsara ny mampahatsiahy antsika fa ho feno valopolo taona amin’ny 2017 ny Fikambanantsika (1937-2017). Fotoan-dehibe tsara ho marihina izany. Raha olombelona dia efa mety hanakaiky ny farany araka ny voalazan’ny Salamo (sal 90,10). Isika anefa manantena fambola hiroso hatrany hamakivaky ny fiainana ny Fikambanantsika miaraka amin’ilay Mankahery antsika (Fil 4, 13). Hisaorantsika an’Andriamanitra noho izany fahasoavan-dehibe izany, fa matoa toy izao isika sy ny Fikambanantsika dia noho izy tsy mitsahatra manampy antsika. Amin’io CONA  io àry no hanokafantsika io faha valopolo taonan’ny nahatongavan’ny TAMPIKRI teto Madagasikara io izay ho faranantsika amin’ny 2017. Ny lohahevitra hoentitsika mankalaza izany dia izay nalaina tao amin’i Md Lioka 22, 32: «Fa izaho (Jesoa) nangataka ho anao (Piera), mba tsy ho lavo ny finoanao, ary rahefa mibebaka hianao dia hamafiso ny rahalahinao».

 

  Araka ny voalazan’ny Satantsika, dia telo taona no faharetan’ireo ekipan’ny ENA. Tany Miarinarivo no nofidina ny ENA izay miasa amin’izao, noho izany tapitra amin’io fotoana io ny fotoana andraisany izany andraikitra izany. Koa amin’io fotoana io àry no hanovantsika ny Ekipa NAsionaly ankehitriny. Hifidy izay olona hanolo azy ireo isika, koa iangaviana ianareo any amin’ny Diosezy tsirairay avy any mba hifampidinika amin’ny aumonier-nareo ary hanolotra olona hofidian ho ao amin’ny ENA. Iangaviana manokana ny Aumonier mba handray an-tanana akaiky sy matotra an’izay fanolorana candidat izany. Olona efa nikatroka tao anivon’ny Diosezy ary hitanao Aumonier fa ho afaka hiatrika izany adidy sarobidy sady masina izany. Olona mipetraka sy mianatra ao Antananarivo ihany koa mba hahafahany mamita ireo asa izay iandraiketany amin’izany. Mazava hoazy fa olona manana vitrika anaty entanin’ny Fanahy Masina hanatanteraka ireo andraikitra hapetraky ny Fikambanana aminy. Koa jereo dieny izao àry ireo olona ho afaka hanatanteraka izany. Ary ilay olona voafidy ho candidat amin’izany dia aoka mba hiomana ara-panahy ho fiatrehana sahady ny adidy izay mety horaisiny araka izay safidìn’ny maro.

 

 Hodinihintsika ao anatin’io CONA io ihany koa ny tolo-kevitra izay efa naroso tamintsika tany Antsirabe, mahakasika ny saran-dalana ho an’ireo olona antsoin’ny ENA hanatrika fivoriana na session na CONA sahala amin’izao. Ny fanazavana moa dia ny hoe: hatambatra avokoa ny saran-dalana rehetra ho an’ireo olona antsoina manokana ireo, zaraina ny isan’ny olona tonga (= atao ny salanisan’ny saran-dalan’ny olona rehetra nasaina isaky ny diosezy). Ka ny valin’io na ny saran-dalana azo eo no haloan’ireo diosezy mandefa olona. Amin’izay dia mitovy avokoa ny saran-dalana rehetra ka na aiza na aiza hanaovana ny fihaonana, na ao Antananarivo, na any Antsiranana, na Sainte Marie dia tsy misy olana satria mitovy ny saran-dalana. Raha ny fanao mahazatra manko no ho tohizana dia misy hatrany ny faritra hahazo tombony ary hisy hatrany ny faritra handoa vola be. Efa natsidika tamin’ny sessiona nationale tany Antsirabe io ary efa neken’ny maro an’isa tao. Efa nasaina nentin’izy ireo any aminareo manerana ny Diosezy ihany koa izany, ka amin’io CONA any Ihosy io no handraiketantsika azy na tsia.

 

 Hiova amin’io fihaonam-be any Ihosy io ihany koa ny baikon’ny taona izay efa niainantsika nandritra ny telo taona. Koa aoka ny sokajy, ny sampana, ny faritra samy hanao jery todika, jery lanja ny fiainany io baikon’ny taona io. Havondrona isaky ny diosezy misy azy avy ireny rehetra ireny ka hataonareo ao amin’ny tatitra.

  Aza adino ao amin’ny tatitra hataonareo koa: ny anaran’ny aumonier sy ny ZAP miampy contact, ny isanareo marina, ny isan’ny ZP. Tsara ihany koa ny milaza ny karazam-pikambanana misy ao aminareo. Ny fikambanana inona no tena ironan’ny tanora? Inona no antony hitanareo mahatonga an’izany? Manao ahoana ny fifandraisanareo amin’ireo Fikambanana ireo?

 

  Ho fiatrehantsika izany dia ilaina, voalohany indrindra, ny fitondrana am-bavaka ireo rehetra ireo. Ny diosezy sy faritra tsirairay dia hanokana fotoana hitondrana am-bavaka ireo fotoan-dehibe ireo. Faharoa manaraka izany dia hanao fifaninanana masina isika amin’ny fanaovana logo sy hira faneva hankalazantsika ny faha 80 taona. Ny faha valopolo taona no hanaovantsika ny logo sy ny hira faneva fa tsy ny Cona sy Zaikabe. Ireo zavatra roa ireo kosa dia efa hatombotsika hampiasaina amin’io CONA sy ZAIKABE io. Ny 31 Mai amin’ny 23:59:59 no fara fandraisana ireo hira sy logo. Hanao ny fitsarana izany kosa ireo ekipa efa natokana ho amin’izany ary hamoaka ny valiny amin’ny faran’ny volana Jolay mba ahafahana manaparitaka azy sy hianarantsika azy. Ny logo moa dia havoaka hohalehibiazina. 

Ny Logo: ahitana ny fanambarana ny faha-80 taonan’ny Fikambanana ka hampiasaina amin’izany ny loko: manga-maitso, mavo, fotsy, mena, maity. Toy izao ny refiny na ny dimension: A4 na 3264 x 2448 format png.

 

  Ny hira faneva dia manambara ny teny baikon’ny taona vaovao sy ny jobily faha 80 taona. Hahazo valisoa ireo izay voafidy amin’izany. Hatao anaty CD ny hira ka halefa aty amin’ny Foibe na homena ny ENA. Ny hira rehetra sy ny logo nalefa aty amin’ny Foibe, ho fandraisana anjara, dia lasa fanana’ny Fikambanana ary ho azony hampiasaina avy eo.

 

© Ainatina - 2 février 2016

  • w-facebook
  • Twitter Clean
  • w-googleplus
  • w-youtube
bottom of page