top of page
Tongasoa!

Faly miarahaba anao tongasoa. Mirary anao mba hahita ny mahafinaritra sy mahasoa.

Papa Fransoa

Fangatahana ampanaovin'ny Papa Ray Masina:

  Ry Andriamanitra Ray be fitiavana o, atolotro Anao ao am-pon’i Jesoa Zanakao, miaraka amin’ny an’ny olombelona rehetra, entanin’ny Fanahy Masina, omban’ny Fo Madion’i Maria, ao amin’ny Fiang...

Andro irisam-pirenena ho an'ny tanora (JMJ):

   Efa nomen’ny Papa Ray Masina, ny Papa Fransoa moa ny lohahevitra ho an’ny taona telo amin’izay JMJ na ny andro isaisam-pirenena ho an’ny Tanora izay. Mifanindran-dalana amin’ilay Synaody izay hatao’ny Eveka amin’ny taona 2018. Io Synaody amin’ny taona ho avy io dia natokana indrindra antsika tanora ...

Hafatry ny Papa Fransoa ho an'ny Karemy 2017:

   Ry rahalahy sy anabavy malala,

  Ny karemy dia fiaingana vaovao, lalana izay mitondra antsika ho any amin’ny tanjona azo antoka dia ny Pakan’ny Fitsanganana, ny fandresen’i Kristy ny fahafatesana. Io fotoana io dia manoro antsika ny antso maika ho amin’ny fibebahana: ny kristianina dia antsoina hiverina amin’Andriamanitra «amin’ny fony rehetra» (Joely Mpaminany 2, 12) mba tsy hifaliany amin’ny fiainana ratsy, fa hitombo... 

Hafatry ny Fivondronam-ben'ny Eveka eto Madagasikara, novambra 2016:  

“Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana” Jn 14,6. Ho antsika kristianina rehetra sy ireo tsara sitra-po eto amin’ity Nosy malalantsika...

Hafatr'i Papa Fransoa ho fankalazana ny andro maneran-tany faha-32 ho an'ny tanora.

"Nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa" (Lk 1, 49) 

      Indreto indray isika miara-dalana, taorian’ny fihaonana nampitolagaga tany Cracovie, izay nankalazantsika ny Andro Maneran-tany faha-31 ho an’ny Tanora sy ny Taona Masin’ny Famindram-po. Nanaiky hotarihin’ny Masindahy Joany Paoly faha-2 sy Masimbavy Faustine Kowalska isika, apostolin’ny famindrapon’Andriamanitra mba hitondra ny valintenintsika azo tsapain-tanana ho an’ny fanambin’izao vaninandro iainantsika izao. Niainantsika tamin-kafanam-po...

© Ainatina - 2 février 2016

  • w-facebook
  • Twitter Clean
  • w-googleplus
  • w-youtube
bottom of page