top of page

Ny Vina sy ny tanjona, ny iraka sy nyaingam-pamnahy fototra, ny baikon'ny taona sy ny fanamby, asa...

 1- Vina (Vision)
Ny TAMPIKRI dia fikambanana tanora manomana tanora ho tompon’andraikitra eo anivon’ny Fiangonana sy eo anivon’ny fiaraha-monina.

 2- Iraka (mission)
    Mitory ny vaovao mahafaly sy vavolombelon’ny fisian’ny Eglizy eny amin’ny tontolon’ny mpianatra;
    Mikatroka ho an’ny firaisan-kina, ny fahafahana, ny fahamarinana ary ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana;
    Mampihaona ny tanora amin’i Jesoa Kristy handresena ny fifanipahan’ny finoana sy ny fiainana;
    Miaro sy mikatsakany soa ho an’ny madinika sy ny sahirana.

 3- Tanjona
    Manampy ny Tanora hanana fisainana sy fiainana toa an’i Kristy.
    Mampivondrona sy mampifankatia ny tanora Malagasy sy ny eran’izao tontolo izao.
    Fijoroana ho olom-banona, miasa, marina ary tia an’Andriamanitra, ka handray andraikitra eo amin’ny tany ama-monina.

  4- Aingam-panahy fototra:
    Mampijoro olom-pirenena vanona
    Miorina amin’ny vaovao mahafaly
    Mifototra amin’ny fanabeazana
    Fanoitra ny fiaraha-monina mirindra
    Hanjakan’ny fivavahana sy ny fahamarinanaHo an’ny fampandrosoana

  5- Baikon’ny taona : Misolo isaky ny 3 taona
  “TAMPIKRI, miorina amin’ny finoana, mampiroborobo fifanakalozan-kevitra, manorina mandria-pahalemana”.

  6- Fanamby :
    Fomba iray entina hanatratrarana ny tanjona amin’ny alalan’ny famaritan’ny tena samirery ezaka kendrena sy hotratrarina:
      Tsy matahotra zava-manahirana
      Olona tompon’andraikitra
      Miahy ny soa iombonana
      Olona manana hevitra


  7- Asa: Mahazatra – Fihetsiketsehana – Fikatrohana
         Asa mahazatra:
Antsoina koa hoe: asa fanao. Mirakitra ny zava-dehibe imasoan’ny andavanandron’ireo mpikambana (partage d’Evangile, cercle d’études, révision de vie, recollection, sns).
    Asa fihetsiketsehana : Asa anehoana ny maha tanora (Teatra, rindran-kira, fambolen-kazo, sns). Fomba iray hampisehoany ny talentany sy hitadiavany vola.
       Asa fikatrohana: Asa mitondra ho amin’ny fiovana sy ny fandrosoana ho amin’ny tsaratsara kokoa. Fitadiavana fanamby mba hahatongavana amin’ny tanjona kendrena.

Ny Fomba fiasa, fiainan-tsokajy, sehatra iasana, sehatra ikatrohana, sokajin'ny mpikambana

  8- Fomba fiasa: MIJERY – MITSARA – MIASA
        Mijery : miainga amin’ny zava-misy, na tsara na ratsy: ao an-tsekoly, ara-toekarena, ara-pifandraisan’ny Tanora, ara-politika sy ny sisa…

        Mitsara: dingana faharoa manana ny anjara toerany tokoa. Mianga amin’ny zavatra hita ka tsy voafetran’ny maha-olona ara-batana sy ara-tsaina fotsiny fa indrindra ny ara-panahy. Ka milady sy mikaroka ny hevitr’Andriamanitra amin’ilay zavatra miseho mba ho arak’i Kristy tokoa ny fanovana entiny.

       Miasa : dingana fahatelo fanatanterahana izay tapaka, miainga amin’ny fahatsiarovan-tenan’ny tsirairay. Samy miaiky sy matoky fa zava-dehibe ny asa irotsahany ary vonona hanova amin’ny maha tompon’andraikitra.

   9- Fiainan-tsokajy: Fitoriana ny Vaovao Mahafaly

    Mizara telo:ivelatra amin’ny manodidina: mampanjaka ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozan-kevitra ary ny fiaraha-miaina. Miezaka mikatroka amina sehatra hafa (fanatanjahan-tena, antokom-pihira, sns) ary mitondra fanovana ao amin’izany sehatra izany.
     Mahay mandanjalanja: Mampihatra ilay fomba fiasa mahazatra ny TAMPIKRI (Mijery, Mitsara ary Miasa).
     Manomana olona ho tomponandraikitra: Mampijoro olona ho mpitarika sy vonona hanasoa ny mpiara-belona.

  10- Sehatra iasana:
      Sekoly: sehatra voalohany iasany. Ezahany ho mendrika sy hitondrana fiovana.
       Fiaraha-monina: handraisany anjara mavitrika. Itondrany fanatsarana sy fampivoarana, itsinjovany ireo madinika sy sahirana.
       Fiangonana: fanomanana litorjia, fidirana antokom-pihira, fanadiovana fiangonana.

  11- Sehatra ikatrohana:
        Fanatsarana sy fanamafisana ny fifaneraserana amin’Andriamanitra. Fizorana amin’ny maha zanak’Andriamanitra (Divinisation)
         Fanasoavana ny maha olombelona (Humanisation), ny maha olona (Personalisation), ny fiaraha-monina (Socialisation – Mondialisation),

   12- Sokajin’ny mpikambana :
Mpikambana mikatroka : mpianatra

     - Vondrona zandriny (6ème – 3ème)
     - Vondrona zokiny (2nd – Terminale)
     - Vondrona oniversitera

Mpikambana mpiara-mikatroka : mpanolon-tsaina sy mpiara-dia, Ray am-panahy (RAP), Zoky am-panahy (ZAP), Zoky mpiara-dia (ZP).

© Ainatina - 2 février 2016

  • w-facebook
  • Twitter Clean
  • w-googleplus
  • w-youtube
bottom of page