
TARIBATO
Ny mety ho endriky ny TARIBATO
1- Fonony
Madagasikara fenoina sarin’ny TAMPIKRI: endriky ny ezaka tian-katao, rédynamisaion. Lakroa lehibe : Ny tsy fisarahana amin’i Kristy sy ny fanarahana ny Teniny. Asiana logo eo amin’ny zorony ankavanana ambany. Taribato. Akon’ny Tanora mpianatra kristianina eto Madagasikara.
2- Editorial sy sommaire
3- Lafiny ara-panahy:
Fifampizarana ny tenin’ny Soratra Masina
Fiangonana: ireo vanim-potoana ao amin’ny Fiangonana, litorjia, Sakramenta
Avy amin’ny Fiketrahana Masina: hafatry ny Papa na ny Eveka (Fiavian’ny Tompo, na Karemy…).
Fanentanana ho an’ny Fiantson’A/tra na : hanasana ireo pretra sy fikambanan-dreli-jiozy lahy sy vavy hanao fanentanana amin’ny fikambanana misy azy.
4- Témoignage :
- Inona no nahatonga anao na nanaitra anao ho TAMPIKRI?
- Inona no soa azonao tao na inona no nahafaly na nanaitra anao tao?
- Inona no nampalahelo na tsy zakanao tao?
- Inona no mbola mampifikitra na mahatamana anao ato amin’ny TAMPIKRI?
- Inona no soso-kevitrao hampandehanana na hanatsarana azy bebe kokoa?
- Mba asio fanentanana kely ho an’ny Mpikatroka e!
5- Lafiny ara-tsaina
Fifampizarana ny fomba fianatra: Ahoana no fomba fianatrao? Inona no zavatra tsara na ratsy azonao ifampizarana teo amin’ny fahombiazanao na tsy fahombiazanao teo amin’ny fianarana?
Mba ifampizarao ny laza adina na any aminao any. Raha azonao omena ihany koa ny valiny dia vao maika tsara. Raha misy valiny azo amin’ny laza adina iray dia tsy halefanay miaraka ny fanontaniana sy ny valiny.
Ny toro-lalana ho an’ny sampam-pianarana na indray dia entina hanampiana antsika mba hahalala bebe kokoa ny taranja iray, na toeram-pianarana na toeram-pikatrohana iray.
Ny fahaiza-miaina na .
6- Fiainana amin’ny maha tanora :
a- Lafiny ara-pitiavana
b- Lafiny ara-pahasalaman
d- Larfiny ara-panatanjahan-tena
e- Ny tanora miatrika ny fiainam-pirenena (politika, sosialy).
7- Kanto sy fialam-boly
a- Fampihomehezana, saritatra (caricature)
b- Ala hamohamo, na , atao mandritra ny fivoriana.
d- Tononkalo, sombin-tantara, tantara.
e- Ankamantatra, devinettes
8- Vaovao
a- Iraisam-pirenena: Panafricain,
b- Eto an-toerana: diosezy, faritra samihafa, fanatanjahan-tena
9- Samihafa
Madinidinika, fihaonana
Fifandraisana tamin’ireo zoky teo aloha
10- Tantaran’ny faritra: anentanana antsika rehetra mba samy handefa ny tantara feno mikasika faritra misy azy avy.
11- Zao indray ny hevitro: Sehatra iray hanehoantsika ny hevitsika mikasika ireo lahatsoratra tany aloha: tsikera entina hanatsarana, soso-kevitra, sns.
12- Extrait boky volamena: Maro amintsika no liana te hamaky ny Boky Volamena nefa tsy ho afaka hijery sy hamaky izany; noho izany, izahay ENA dia nanapaka fa halefanay tsikelikely eto ireo izay voasoratra ao.
NB: Amporisihinay ianareo any amin’ny faritra rehetra any mba hanoratra aty amin’ny gazetim-pifandraisantsika. Azonareo sora-tana avokoa ireo lohahevitra ireo. Ny tanjona kendrenay dia ny hifampizarantsika izay iainantsika mba ahafahantsika mifankafantatra bebe kokoa sy miray hina bebe kokoa. Ny fomba hanatanterahana azy indray dia amin’ny alalan’ny ireo zavatra telo ezahantsika iainana: mijery-mitsara-miasa. Izany hoe, famakafakana (analyse) no tena tiana ho voizina eto fa tsy itanteram-baovao fotsiny. Ohatra: tsara sy hilaitsika ny itantaran’ny faritra iray ny fomba any aminy, fa tsara kokoa raha mba asiana famakafakana izany. Izany hoe lazainao ny hevitra momba ny seho iray izay tantarainao fa tsy hoe faly ny hitanisa fotsiny. Vao maika tsara ihany koa raha mba asianao tohana avy amin’ny alalan’ny boky na gazety, sns. Ny mpamaky ihany koa dia afaka maneho ny heviny amin’ny alalan’ny fifampizarana.
Irinay tokoa ny handefasanao, ireo zavatra voasoratrao, amin’ny e-mail satria manamora kokoa ny asa mbola ho sahaninay. Azonao alefa paositra na par occasion na taxi-brousse izy ireny. Aoka anefa mba hanao dika roa na telo mitovy mba hiarovana ny tampoka. Raha toa misy sampona mahazo ilay nalefa (very ohatra) dia mbola manana dika mitovy hafa ianao; indrindra ho an’ireo izay tsy nampiasa ny version electronique.
ENA
Ireo TARIBATO teo aloha
Ry Tanora namana, taona maromaro no tsy nahatazanantsika ny TARIBATO, dia ilay gazety fifandraisana ahitantsika, ifampitana vaovao sy ahalalana ny zava-misy iainan'ny namantsika manerana ny Nosy na ireo any ivelany ihany koa. Rehefa nidinika ny ENA dia nanapa-kevitra fa tsara raha averina indray izany fitaovana mahomby tsy hita izay maharatsy azy izay, koa indro ary ny TARIBATO laharana voalohany izay nivoaka ny volana Mars taona 2015.
