top of page

Tatitry ny Filan-kevi-pirenena natao tany Ihosy

ny faha-31 Aogositra hatramin'ny faha-5 Septambra 2016

   Ry TAMPIKRI rehetra namana,
  Faly miarahaba antsika rehetra tsy ankanavaka tamin’ny nahavitana soamatsara iny CONA faha-17 sy Zaikabe andiany fahatelo iny, izay notanterahintsika tany Ihosy. Isaorana lehibe Andriamanitra nanome hery sy tanjaka ka nahafahantsika nanatontosa iny fihaonana iny, tsy ho hadino amin’izany fisaorana izany ihany koa isika rehetra tonga nanontrona sy nanafana iny ftoan-dehibe iny ; Andriamanitra...

   Ny fanontaniana izay manitikitika ny sain’ny maro amin’izao fotoana izao dia ny hoe: “moa ve zavatra azo tanterahina ny fisian’ny fifanakalozan-kevitra amin’ny Silamo raha mijery ny zava-misy maneran-tany amin’ny alalan’ny haino aman-jery sy ny toe-tsaina hita taratra ombieny ombieny?”.
Koa inona àry ny sori-dalana pasotraly tokony ho entina miatrika ny fihanaky ity finoana Silamo ity? Inona no tokony hatao hialana amin’ny tahotra manoloana an’izany rehetra izany? Ny Pretra sisa andrandrain’ny kristianina hanome vahaolana mahatoky azy ireo manoloana an’izany.
..

   Ny «leadership chrétien» raha adika malalaka dia avy amin’ny teny anglisy «to lead» izany hoe: mitarika.
   Misy famaritana iray ihany koa vokatry ny fikarohana dia ny hoe: Ny mpitarika dia "ny fahafahan’ny olona iray mba hitarika na hitarika olona na fikambanana hafa mba hahatongavana amin’ny tanjona tia-kendrena. Dia voalaza izany fa ny mpitarika dia olon airay izay mahay mitari-dalana, hery mitarika sy ny aingam-panahy...

   Eto ampanombohana dia azo lazaina fa mbola madio ny Tanora Malagasy raha oharina amin’ny Tanora any ivelany. Satria, raha any ivelany dia zara raha mahita tanora mamonjy ny Lamesa fa ireo olona efa antitra, efa zokiolona no mpamonjy ny fiangonana isaky ny alahady. Ka noho izany: tazomy izany fahadiovana zany sy ny soatoavintsika satria, mihazakazaka ny Technologie amin’izao fotoana izao.
   Ny tompon’andraikitry ny filaminam-pirenena dia tsy resaka miaramila ihany, ao ny fiarovana ny toe-karena, ny soatoavina, ao ny fiarovana fifandraisany firenentsika amin’ny any ivelany sns… Izany fiarovana ny soatoavina izany no horesahana eto....

Tatitra isan-diosezy miampy ny jeritodiky ny Filan-kevi-pirenena faha-17

Azonao jerena ato ireo rehetra ireo

© Ainatina - 2 février 2016

  • w-facebook
  • Twitter Clean
  • w-googleplus
  • w-youtube
bottom of page