top of page

TOKO I
 

ANARANA – FOIBE – ZAVA-KENDRENA
 

And. 1 - Miforona eto Madagasikara ny fikambanan’ny tanora mitondra ny anarana hoe “TANORA MPIANATRA KRISTIANINA” izay afohezina hoe : TA MPI KRI, mifanaraka amin’ny hintsivolana N° 60 133 tamin’ny 3 Oktobra 1960 nivoaka tamin’ny Gazetim-panjakana Malagasy tamin’ny 15 Oktobra 1960; pejy 2090, ary fehezin’ity Satam-pikambanana ity sady mikambana amin’ny “JEUNESSE ETUDIANTE CATHOLIQUE INTERNATIONALE”, izay any Paris ny Foibeny.

And. 2 - Eto Antananarivo ny foiben’ny fikambanana. Tsy misy fetra ny faharetany. Tsy manova ity sata ity ny fiovan-toeran’ny foibe.

And. 3 - Tsangan-kevitra kristianina no ijoroan’ny fikambanana TAMPIKRI ka ny zava-kendreny dia ny hampivondrona ny Tanora Mpianatra Malagasy mba hiarahany:

  • Mivoatra marina ara-tsaina, ara-panahy, ara-pitondran-tena, ara-piaraha-monina amin’ny fandraisana andraikitra sy fiasana hampivoatra ny ankohonam-piainam-pianarana misy azy ireo miaraka amin’ny toe-tsaina sy rafitra eo ka izany no iomanany ho olon-dehibe mahazaka adidy eo amin’ny tany ama-monina rahatr‘izay

  • Manangana ASA mifanaraka amin’izay tena ilain’ny tanora mpianatra

  • MIEZAKA HAHALALA ny zava-mitranga amin’ny fiainan’ny tanora mpianatra, indrindra ireo zava-manahirana azy ka hampahalala ny tompon’andraikitra eo amin’nny fanjakana sy eo amin’ny fiangonana

  • MAMPIFANANTONA sy mampifandray ary mampifankahalala ny tanoran’ny nosy sy ny tanoran’izao tontolo izao mba hahafahanay miara-miasa aminkintsipo sy fifankatiavana.
     

 

TOKO II
 

FANDAMINANA
 

And. 4 - mba hifanentana amin’ny ambaratongam-piaranan’ny tanora dia misy vondrona telo ao amin’ny fikambanana:
       a: Vondrona Zandriny ho an’ny mpianatra ao amin’ny ambaratonga faharoa, Dingana voalohany.
       b: Vondrona zokiny , ho an’ny mpianatra ao amainn’ny ambaratonga faharoa, Dingana faharoa.
       d: Vondrona oniversité, ho an’ny mpianatra amin’ny sekoly Ambony sy ny oniversité

 

 

Ny anisan’ny fikambanana dia:

  • Ireo MPIKAMBANA MPIKATROKA: dia izay tanora mpianatra manaiky ity sata ity ary mandoa latsak’emboka isan-taona.

  • Ireo MPIKAMBANA MPANOLOTSAINA : pretra, relijiozy, lahiaka vonona hahalala tsara sy hanampy ny fikambanana

  • Ireo MPIKAMBANA MPANAOSOA : dia ireo olo-manohana ara-kevitra sy ara-bola ny Fikambanana amin’ny fandrotsahana 500Fmg isan-taona ahay

 

And.5 - izao no ambaratongam-pandaminana ny fikambanana: sokajy, Sampana, Faritra, Diosezy, Filan-kevi-pirenana


1- SOKAJY: io no vato fehizoron’ny fikambanana : fivondronan’ny TAMPIKRI iray lakilasy, vonon-kiasa amin’ny iray lakilasy aminy tarihin’ny mpiandraiki-tsokajy izy (5-12 personnes)


2 - SAMPANA: Fivondronan’ny sokajy rehetra iray sekoly vonon-kiasa amin’ny  sekoly tarihin’ny mpiandraiki-tsampana izy, ampian’ny mpiandraiki-tsokajy rehetra amin’ny sampana ary Ray am-panahy na mpanolo-tsaina (3 Sokajy)


3 - FARITRA: Fivondronan’ny Sampana rehetra iray Tanana na iray faritany na iray diosezy (3 Sampana)

Ny sampana rehetra miara-mivory no antsoina hoe: Filankevi-paritra.

Ny mpiandraiki-tsampana rehetra no mamorona ny ekipan’ny faritra izay ekipa mpanatanteraka ao amin’ny faritra. Mifidy Birao (ekipa) hitarika azy ny ekipan’ny faritra, ka ireto avy no olona ao :

  • Filoha  (1)

  • Filoha lefitra (1)

  • Mpitantsoratra (2)

  • Mpiandraiki-bola        (2)

  • Ny Ray am-panahy nasionaly na mpanolon-tsaina atolotry ny filankevi-pirenena, ka tendren’ny konferansan’ny eveka eto Madagasikara, miara-miasa amin’izy ireo
     

4- FILAN-KEVI-PIRENENA: Ny solotenan’ny biraom-paritra, miampy ny Ekipa Nasionaly (ENA) sy solo-tena iray isan-tsampana no manorona ny filankevi-pirenena, izay fitondrana tampony ao amin’ny fikambanana raha ny firenena manontolo no jerena. Izy no mitondra ny tenin’ny fikambanana eo anoloan’ny be sy ny maro ary ny satam-pitondrana eto an-tanindrazana. Izy no mankantoa ny olona ho ao amin’ny ekipa nasionaly izay natolotry ny faritra isany.

 

And.6 - Ny filankevi-pirenena no (mifidy) mankantoa ireo olona natolotry ny faritra tsirairay avy ho ao amin’ny birao Foibe (ENA). Telo na efatra taona no faharetany ao, kanefa azo havaozina ny fifidianana azy ireo mandra-pahavitan’ny fianarany

And 7 - Ireto avy ny olona ao amin’ny birao foiben’ny fikambanana (ENA na ny Ekipa NAsionaly):

  • Filoha  1

  • Filoha lefitra    1

  • Mpitantsoratra (2)

  • Mpiandraiki-bola (2)

  • Ray am-panahy nasionaly na mpanolon-tsaina atolotry ny filankevi-pirenena, ka tendren’ny konferansan’ny eveka eto Madagasikara, miara-miasa amin’izy ireo
     

And 8 - Ny filoha no mitondra ny fikambanana ary misolo tena ivelan’ny fivoriana. Izy no mitarika ny fivorian’ny ekipa nationaly sy ny filankevipirenena. Raha tsy afaka izy dia manendry olona ao amin’nny birao foibe (ENA) hisolo azy.

Ny mpihevi-draharaha dia miandraikitra ny fitantanana an-tsoratra ary ny taratasim-pikambanana rehetra

Ny mpiandraiki-bola dia miandraikitra ny toe-bolam-pikambanana : fitadiavana, fampidirana, sy famoahana ny vola tokony hatao amin’ny fikambanana

Ny mpitam-bola lefitra dia manampy ny tompon-toerana ary misolo azy raha ilaina

 

And 9: – Amin’ny andavan’andro, tsy misy zavatra azo atao amin’ny anaran’ny Fikambanana:

-ao amin’ny Fikambanana manontolo, raha tsy tapaky ny Filan-kevi-pirenena, na ny ekipa Nasionaly

-ao amin’ny Faritra iray, raha tsy tapaky na neken’ny fivoriam-paritra na ny ekipan’ny faritra.

 

And 10: –Mivory indray mandeha isaky ny telo na efatra taona ny filan-kevi-pirenena. Mivory koa izy raha misy antony lehibe manokana mihitsy heverin’ny Ekipa Nasionaly 2/3n’ny Filan-kevi-pirenena tokony hiantsoana azy hivory.

Tsy maintsy tafiditra ao amin’ny Fandaharan-draharaha hodinihina amin’ny Filan-kevi-pirenena ireto zavatra ireto:

 -Ny filazalazana ny toetoetry ny fikambanana ataon’ny filoha

 -Ny filazalazana ny toe-bolan’ny Fikambanana ataon’ny mpiandraiki-bola

 -Ny sori-dàlan’ny Fikambanana manontolo ho an’ny taona ho avy .

 -Ny Ekipa Nasionaly dia mivory indray mandeha ihany anelanelan’ny Filan-kevi-pirenena roa

 

And 11 : -Tsy misy hevitra tapaka ao amin’ny Filan-kevi-pirenena raha tsy tonga ny 2/3n’ny tokony hivory, raha tsy izany dia afindra ho amin’ny fivoriana hafa ny fanapahan-kevitra ,amin’izany kosa dia maha-tapakevitra izay tonga. Tsy misy hevitra tapaka raha tsy lany amin’ny isa be matanjaka .
 

TOKO III
 

FIDIRANA –FANALANA-FIALANA
 

And .12: –Ny Ekipan’ny faritra no mandray na manala ny Mpikambana mpikatroka iray atolotry ny mpiandraikitra azy.
 

And 13:-Mahazo miala tsy ho anisan’ny mpikambana iray rehefa mametraka ny fialany amin’ny mpiandraikitra ny sampana izay mampandre ny Ekipan’ny faritra.

Raikitra ilay fialana iray volana aorian’izany. Tsy mahazo mitaky amin’ny fikambanana izay zavatra nentiny tao izay miala.

 

TOKO IV
 

FIDIRAM-BOLA
 

And 14: Izao avy no fidiram-bolan’ny Fikambanana :

-Ny latsak’emboka isan-karazany vola azo amin’ny fety sy fihetsiketsehana isan-karazany ; avy amin’ny fanangonam-bola ara-dalana ataon’ny fikambanana .

-Ny fanomezana sy fanampiana avy amin’ny olona na avy amin’ny Fanjakana na avy amin’ny fiangonana.

-Ny fidiram-bola samihafa avy amin’ny gazety (famandrihana) na vidim-boky

 

And 15 :  Raha rava ny fikambanana dia atolotry ny Ekipa Nasionaly  amin’ny fikambanana manao asa fanasoavana ny ambim-bolam-pikambanana rehefa voaloha ny trosam-pikambanana mbola tsy efa tany aloha
 

TOKO V
 

SAMIHAFA
 

And 16 : – Tsy manao politika ny Fikambanana ary tsy miantoka izay ataon’ny mpikambana ao aminy, amin’ny anaran’ny tenany sy eo amin’ny sehatra politika.

 

And 17 : – Ny  Filan-kevi-pirenena ihany no mahazo manova zavatra amin’ity Sata ity, raha tonga ny 2/3-n’ny olona tokony ho tonga, ka lany amin’ny isabe matanjaka ilay fanovana.

 

And 18 : – Ny Filan-kevi-pirenena ihany koa no mahazo mandrava ny Fikambanana raha tonga ny ¾-n’ny olona tokony ho tonga amin’izany, ka lanin’ny ¾-n’ny olona tonga

 

And 19 : Ireo mpanao soa dia ireo olona manohana amin’ny lafiny rehetra ny Fikambanana.

 

And 20 : -Misy fitsipi-tokantrano volavolain’ny  Komitim-pirenena ka laniana eo amin’ny Filan-kevi-pirenena, hanazavana sy hametrahana ny andininy sasany amin’ity Sata ity.

© Ainatina - 2 février 2016

  • w-facebook
  • Twitter Clean
  • w-googleplus
  • w-youtube
bottom of page